Teny iditra taozavatra (tao, zavatra)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fanamboarana ny zavatra vita-Nanahary ho [...] [tohiny Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   fanamboarana ny akora voajanahary hajary zavatra azo hanina na ho fitaovana ampiasaina amin' ny fiainana andavanandro: Iray amin' ireo fanoitran' ny fampandrosoana ny taozavatra [Beaujard 1998]
Dikanteny frantsay   artisanat, petite entreprise [SLP: Voambolana, Rajaonarimanana 1995]
Ohatra   Izany no mba taozavatrao. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 109]
Sady nazoto ny Egyptiana no nahay tamin' ny taozavatra. [Randzavola: Baiboly, takila 34]
Mpiray foto-pivelomana rahateo moa, noho ny taozavatra iaraha-mahalala, ka adalan' izay miolonolona. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 45]
Ary ny taozavatra atao ao Amparihibe [Callet: Tantara, takila 71]
ny mamorona taozavatra vaovao, ny manefy volamena sy volafotsy ary varahina, [Baiboly: 2:035:032/Eksaody 35:32..]
Ny bikany  
taozavatra
taozavatro
taozavatrao
taozavany
taozavatsika
taozavatray
taozavatrareo
taozavatr'
taozava-
taozavatry
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2014/11/10