Teny iditra taratra
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Bezanozano, Sihanaka] fitaratra [Rakotosaona 1972]
   Hazavana alefana zavatra miantefa amin' ny rano na fitaratra: Manimba maso ny taratry ny masoandro ao anaty rano raha mandeha lava amin' ny lakana
¶ Hazavana mihalohalo na miserana kely: Mahafinaritra izany tara-bolana aty anaty hazo
¶ Fijerena zavatra maninteraka lamba na fitaratra na amin' ny elakelaky ny rantsantanana
¶ Fanarangaranana na fitsikilovana izay atao miafinafina [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   a beam of light; a reflection [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   rayon de lumière; lumière réfléchie [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay   radiation, irradiation, reflet [SLP: Voambolana]
Ohatra  
1Hita taratra amin' ny fihetsiny ny haalinan-tsain' I Saonina. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 85]
2Iny fiara iray nandefa taratra mahery vaika no nitsilo ny fidolany. [Andriamalala: Taolambalo, takila 76]
Voambolana  
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra Taratra
Sokajin-teny   anarana (gazety)
Habaka   http://taratramada.com ()
Copyright   Taratra

Teny iditra Taratra
Sokajin-teny   anarana (lohatenin' boky na teatira)
Famaritana malagasy   jereo Ratsifandrihamanana: Taratra
Mpanoratra  
Tsanganana sy sary iray takila   Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2017/10/19