Teny iditra tarehy
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Ny faritra anoloana amin' ny loha, misy ny handrina, ny maso, ny orona, ny vava; ny tava: Be tandra kely ny tarehin-dRamatoa iny
¶ Ny fisehoana ahitana ny zavatra iray: Be kilavadavaka, hono, ny tarehin' ny volana, hoy ireo efa nanitsaka teny
¶ Nitondrany voninkazo tsara tarehy aho
¶ Endrika, bika: Aseho matetika amin' ny tarehin' ny voromailala ny Fanahy Masina
Mitovy hevitra: endrika ~ fify ~ laingon-tava ~ salovantava ~ takolaka ~ tava [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   the face; appearance; cf. endrika, bika. [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   le visage: apparence; cf. endrika, bika. [Hallanger 1974]
Voambolana  
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2013/07/15