Teny iditra telonohorefy (telo, refy)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Ireo kintana telo mamirapiratra tsara ireo no voalazan' i Joba (9. 9 ; 38. 31) sy Amosa (5. 8) amin' ny teny hebreo hoe Chesil (gr. Orion). Koa satria isan' ny kintana miseho miharihary izy, dia voalaza, miaraka amin' i Ikotokelymiadilaona sy ny kintana sasany, ho famantarana ny herin' i Jehovah, Izay nametraka azy eny amin' ny lanitra. Ny mpanoratra sasany anefa mihevitra fa kintana hafa, tahaka ilay mazava sy mamirapiratra fatratra atao hoe Siritis, na Canopus, na Cor-Scorpionis, no voalazan' ny teny hebreo hoe Chesil. Asa izay tena marina amin' izany. [Randzavola: Baiboly]
 antokon-kintana telo avarabaratra andrefan'ny Vahindanitra, mamiratra manintona ny fijery [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy the three stars of the belt of Orion
¶ the greatest [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay les trois étoiles de la ceinture d'Orion
¶ chose ou personne grande, éminente [Hallanger 1974]
Voambolana 
Mpanahaka  miadilaona
Ohatra 
1Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy? [Baiboly: 22:038:031/Joba 38:31..]
2ary ny orimbintana amy ny lanitra, sy ny masoandro, sy ny volana, sy ny kintana telonohorefy, sy ny sasany; [Callet: Tantara, takila 44]
Teny nalaina 

2016/08/23