Teny iditra teraka
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Vao nivoaka ny kibon-dreniny ka manomboka miaina eto an-tany: Vao teraka, hono, io zaza io dia nitsiky
¶ Latsaka antany, foy (raha atodim-borona no lazaina)
¶ Nandatsaka zaza avy ao an-kibo: Teraka halina Ramatoa Rasoa
¶ Miseho, mitranga: Vao teraka io lamaody io, dia nanao akanjo manasa-pe daholo ny sakam-bavy rehetra / Teraka ny volana [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   delivered of a child; born [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   qui a enfanté, accouché
¶ qui a produit des feuilles, des fleurs, fruits [Abinal 1888]
   qui a mis au monde un enfant; qui vient de mettre bas [Hallanger 1974]
Ohatra   Tsy nisy fahafatesana teo amin' ny velona, fa tsy mbola teraka ny Ota [Andriamalala: Zazavavindrano, takila 13]
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Fifanahafana   ary ~ foy ~ mahita masoandro ~ vaky maso ~ foy elatra ~ latsaka an-tany ~ vao avy teraka ~ velombao ~ tera-bao ~ mifana
   nitondra folo volana ~ mivadi-jaza ~ mihetsi-jaza ~ tonga andro ~ teraka alohan' ny fotoana ~ tsy ampy andro ~ tsy tonga volana ~ afa-jaza ~ tsy manao takalo kely ~ vaky manta ~ manao oty kely

Nohavaozina tamin' ny 2017/03/26