Teny iditra tery
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Tsy malalaka ka toy ny voageja ny zavatra ao anatiny: Tery ity kiraroko ity ka mahafadiranovana ahy
¶ Voageja azon' ny hakelezan' ny toerana misy ny tena, na akanjo anaovana: Tery ny valahako amin' ity akanjo ity
¶ Poritra: Terin' ny vahoho ny tanany
¶ Poritra, sahirana mafy: Samy tery amin' ny raharahany ny olona ~ Terin' ny volan' olona izy ka mamono tena miasa [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy pressed; distressed; narrow [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay serré; étroit; exigu; en détresse [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

Teny iditra tery
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fampanaovana ankeriny tsy araka ny sitrapo: Tery no nanekeko izany
¶ Fanapotserana na famihinana ny tohatr' omby hivoahan' ny ronono [Rajemisa 1985]

Teny iditra terỳ
Sokajin-teny ny lasan' ny tambinteny [fitanisana]
Famaritana malagasy Endriky ny mpamaritra erý fampiasa anin' ny lasa, entina hilazana toerana lavidavitra nefa mbola takatry ny maso tsara ary tondroina amin' ny tanana: Terý ambody hazo terý no nahitan' ny fokonolona ny fatiny [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay passé de erý [Abinal 1888]

Teny iditra terỳ
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Famaritana malagasy Noho izany antony izany, teo no ho eo tsy nampoizina: Maty terý ny anao lahy
¶ Teo no ho eo, indray mipy maso [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay subitement, tout à coup, à l'instant même: Maty terỳ izy (Il est mort en un instant, d'un coup) [Abinal 1888]

Teny iditra tery
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Sihanaka] zozoro maina fanao trano [Rakotosaona 1972]

2017/04/03