Teny iditra tevika
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Aretina avy amin' ny mikraoby manokana mpamely ny havokavoka: tampoka ny fiaviany, mangatsiaka mafy ny tena ary tsaroana misy maharary mafy ao amin' ny tratra toy ny misy manevitevika; sarotra ny fiainana; misy kohaka fohy ary ny rehoka mivolona harafesina [Rajemisa 1985]
 amonia [Andraina: Mitaraina takila 178]
Famaritana frantsay pneumonie [Rajemisa: Vakoka]
Voambolana 
Teny mitovy hevitra amonia ~ pnemonia
Ohatra Nisy voan' ny tevika ny mpiray toby tamin-dry Feno indray andro; [Andraina: Mitaraina, takila 178]

Teny iditra tevika
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fanaintainana ohatra ny misy manindrona
¶ Aretina avy amin' ny bibikelinaretina izay andrenesana fanindrontsindronana ao anaty tratra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a spasm [Richardson 1885]
Famaritana frantsay douleur poignante, comme celle d'un point de côté [Abinal 1888]
 point de côté [Rajemisa: Vakoka]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra tevika
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Loaka amin' ny ravin-tsofina asiana kavina [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a bore in the lobe of the ear [Richardson 1885]
Famaritana frantsay trou pratiqué à l'oreille pour y suspendre les pendants d'oreille [Abinal 1888]
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny tevika ity (1): Bemanevika

Teny iditra tevika
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Ny loadoaka amin' ny zaitra, na ny fanjaitra [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay point de couture [Abinal 1888]
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 

2017/04/09