Teny iditra to
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   [Bara, Taisaka, Tanosy] marina [Rakotosaona 1972]
   Marina, mifanaraka amin' ny rariny sy ny hitsiny: Teny to
¶ Tanteraka: To ny faniriany fa afa-panadinana ny zanany ary nisondro-boninahitra izy [Rajemisa 1985]
   marina, voamarina, ekena [SLP: Voambolana]
Famaritana frantsay   vérifié, vrai [SLP: Voambolana]
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Teny iditra to
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Tanosy] fahamarinana [Rakotosaona 1972]
Sampanteny  

Teny iditra to
Sokajin-teny   Tsy lazaina
Famaritana malagasy   Teny hita amin' ilay fitenenana hoe to fo, izay azo heveritra, araka ny filazan-dRamino, fa avy amin' ny hoe "tono fo", ka ny heviny dia: mafy fo ka tsy azo ahodina amin' izay nahatezitra azy, mikiribiby amin' ny heviny ary tsy mety hihavana na hifampiraharaha [Rajemisa 1985]

Teny iditra to
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   teny anti-miantso ny alika [Rajemisa 1985]
Fitovian-keviteny   toa

Teny iditra
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   [Sihanaka] ity [Rakotosaona 1972]
Fitovian-keviteny   taô

Teny iditra to~
Sokajin-teny   tovona [Teny amin' ny to~]
Famaritana malagasy   Tovona fanaovana fototeny faharoa mampitombo ny hevitry ny fototeny voalohany: Tohika (hika), toletsy (letsy) [Rajemisa 1985]

Teny iditra to
Sokajin-teny   mpampiankin-teny [firaketana]
Famaritana anglisy   mankany, ho any; ho an'...; eo amin'... [Hallanger 1969]
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra to
Sokajin-teny   Tsy lazaina
Famaritana anglisy   ampiasaina miaraka amin' ny verba hamoronana ny infinitive (ohatra: to go, to work) [Hallanger 1969]

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/30