Teny iditra tomboka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fandentehana angady amin' ny tany; fanapahana (biby na ahitra) main' ny angady; famelezana amin-java-maranitra [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   un coup de pioche donné à la terre [Abinal 1888]
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra tomboka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fiampangana olona amin-javatra tsy nataony, endrikendrika tsy marina: Tokony hofadinany endrikendrika, ny tomboka befahatany fa manohitra ny fitiavanamana [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   accusations fausses [Abinal 1888]
Sampanteny  
Fitovian-keviteny   tombotomboka
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra tomboka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fametahana kase amin' ny taratasy, fametahana marika amin-javatra: Tombo-kase ~ tombo-kavatsa [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   apposition du cachet à une pièce officielle [Abinal 1888]
Sampanteny  

Teny iditra tomboka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Vary an-tanety ambolena amin' ny tavy ka jinjaina amin' ny fahavaratra [Antesaka] [Rajemisa 1985]

Teny iditra tomboka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fiandohan' asa, fanaovan-javatra voalohany, fisantarana amin' izay atao [Rajemisa 1985]

Teny iditra tomboka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Bibikely mamorivory fotsy ao anatin' ny ranon' ando maraina izay heverin' ny olona ho mahatonga vay raha voakasika na voahitsaka: Voan' ny tomboka ny tongotr' Isambito
¶ Karazana vay mpahazo ny omby [Rajemisa 1985]
   karazana aretina mpahazo ny olona sy ny biby ateraky ny basiliosin'arina [SLP: Voambolana]
Dikanteny frantsay   charbon, anthrax, bubon très douloureux [Abinal 1888]
Dikanteny frantsay   charbon [SLP: Voambolana]
Voambolana  
Fifanahafana   fanenitra ~ tetanosy

Teny iditra tomboka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   loaka, lavaka [Bezanozano] [Rakotosaona 1972]

Teny iditra tomboka
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   bongo: Trano bongo [Bezanozano] [Rakotosaona 1972]

Nohavaozina tamin' ny 2013/07/22