Teny iditra tongobolo
Singan-teny tongotra ; volo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitoeram-paraky (avy amin' ny teny hoe: tongotra sy volo satria tamin' ny tongotra na vodin' ny volo -- karazana volotsangana -- no nanaovana azy taloha). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A snuffbox, a tobacco-pouch [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Blague à tabac [1.8]
Ohatra 
1Hitako ny hevitra, ondry roa no novidiko sy reniakoho telo, ary ny vakim-bola sisa nitondrako siramamy takelany vitsivitsy ho an' Ineny, sy tongobolo ho an' i Dada. [2.643]
2Nitsiky indray maka izy dia nangarona ilay tongobolo tandrok'omby tao am-balahany ary nitelina indraim-bava vao nahateny hoe : Hihaona hay isika ry zareo, ka ianareo be kivazivazy foana aninkeheo. [2.895]
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/03