Teny iditra tory
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fanesorana ny kiran-javatra hahazoana kofehy
¶ Fakana ny tadim-baliha amin' ny tenany ihany, na ny tadim-baliha mihitsy: Valiha tory folo
¶ Fandrasana hena izay atao didy vaventy: Torin-kena (hena vita didy vaventy mitsoriaka)
¶ Soritra enti-manasaraka fari-tanimbary na tanimboly, na ny tanimboly voasarak' io soritra io mihitsy: Mangahazo iray tory [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay incision, ligne
¶ sillon pour séparer, pour déssécher les rizières
¶ action de séparer les filaments du rofia, du chanvre, de l'écorce du zozoro [Abinal 1888]
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra tory
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fiampangana olona iray ho nanao ratsy eo anatrehan' ny antokon-draharaham-pitsarana [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay dénonciation, accusation [Abinal 1888]
Sampanteny 

Teny iditra tory
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Filazana, fandaharana sy fivoasana ny tenin' Andriamanitra [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay prédication [Abinal 1888]
Sampanteny 

Teny iditra tory
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Taisaka] torimaso [Rakotosaona 1972]
 Fotoana ialan' ny tena manontolo sasatra amin' ny fikimpian' ny maso sy ny tsy fahatsiarovan-tena, ka ny asa tsy miankina amin' ny sitrapo mamelona ny tena ihany no sisa mandeha, toy ny fitepon' ny fo, ny fakana fofon' aina...: Resin-tory aho tamin' ny fijerena sarimihetsika ~ Rendrika ao anatin' ny torimaso izy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy sleep [Richardson 1885]
Famaritana frantsay sommeil [Abinal 1888]
Ohatra Tsy mba nahita tory izy, fa niandry izay hahantoandro ny andro hiantsoan' ny fanjakana azy. [Rajohanesa: Kintana]
Sampanteny 
Fitovian-keviteny torimaso
Kamban-teny, lohateny, anarana 

2018/10/01