Teny iditra trondro
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazana hazandrano somary fisapisaka, ny tenany rakotra kira masaisay ary manam-pitaovana ahafahany mihetsika ao anaty rano: vombony iray ao an-damosiny, fivoy milaha-droa eo ambany tratrany sy ambany kibony, fivoy iray indray ao am-poto-kibony, ary ny rambony, izay mikapoka miankavia sy miankavanana rehefa mitsoriaka izy; misy karazany roa ny trondro: ny trondron-dranomamy sy ny trondron-dranomasina; manatody ny trondro amin' ny fararano, izay foy amin' ny voalohandohan' ny ririnina. Anisan' ny tsara sy matsiro ny trondro; laokandrano, laoka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A goldfish acclimated in Madagascar [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Poisson [1.8]
Ohatra 
1Raha telo sy efatra ny trondro azo dia atao lany tono ho solom-boangahazo ambara-piandry masaka. [2.470]
2Be rano misy trondro eny manodidina rehetra eny. [2.472]
Voambolana 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31