Teny iditra tsaitsainy (tsaitsaika (tsaika))
Sokajin-teny anarana tsaitsaika sy mpisolo
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ny vary' mby eo amin' ny ambaratonga faharoa amin' ny fitotoana azy, izany hoe efa nototoina fanindroany ary mbola hototoina indray mandeha farany vao tena ho fotsy tsara (jereo aivoka, fotsy) [1.1]
Ohatra Dia nampitoto vary ny ankizy, hono, izy, ka nony vao tsaitsainy, dia nasainy nandrahoina, ka nohy masaka, dia nasainy naterina any amy ny mpiasan' Andrianarisaina, kely ny vary, nefa be akotry, fa vao vary tsaitsainy, ka nohanin' ny mpiasa tsy laniny, avelany mbola noana izy; [2.293]
Tovy hevitra tsaitsaim-bary

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31