Teny iditra tsara
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Mahafinaritra jerena: Tsara izany raha trano
Manana toetra maha-izy azy: Fanjaitra tsara
Manana toetra takin' ny raharahany, mahafatra-po: Mpampianatra tsara; renim-pianakaviana tsara
Manana ny toetra ilaina ara-pitondran-tena; tsy misy hokianina: Olona tsara Rakoto
Vita tomombana ka mahatonga higàga; kanto: Tsara izay lahateny nataon-dRakoto izay!
Soa, mahasoa: Tsara ny hevitra nomeny ahy
Mahomby, mahasoa, misy vokany: Fanafody tsara; famaizana tsara
Mety: Tsara ny mangina raha misy miteny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Good; well [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Bon [1.3, 1.8]
 Qui a de bonnes qualités, beau [1.3]
 Bien [1.8]
Ohatra Dia nivady nifanara-draharaha tsara Andrianarisaina sy Rafotsiarifanahy, fa nitovy saina. [2.293]
Haiendriteny 
Tsotra : tsara
Filaza mandidy : tsa
Sampanteny 
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra tsa
Sokajin-teny filaza mandidin' ny mpamaritra [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay Soyez bon [1.3]
Kamban-teny 

Teny iditra tsara
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanaovana izay hahafantarana ny marina, ny rariny; famakafakana sy fandanjalanjana atao mba hanavahana ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy; fanapahana, fanelanelanana amin' ny olona miady. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Jugement [1.3]
Sampanteny 

Teny iditra tsara
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] teny, resaka [1.78]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Mpanahaka  fototsara ~ marotsara

Teny iditra tsara
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Bezanozano] (sens général : bon, beau). Arbre à bois gris, peu durable, se détériorant à l'humidité. On en fait cependant des planches. Non identifié. [1.196]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11