Teny iditra tselatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fahazavana miserana vetivety eny amin' ny habakabaka, vokatry ny herim-baratra: Matetika ny tselatra no mialoha ny kotrobaratra
Helatra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A flash of lightning, a flash [1.7]
Fanazavàna teny frantsay éclair, étincellement [1.8]
Ohatra Maizina ny lanitra, ny hany hita dia ny tselatra mifanaretsaka etsy sy eroa. [2.472]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny 

Teny iditra tselatra
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Haingana dia haingana: Tselatra ianao mankany antsena [1.1]

Teny iditra Tselatra
Sokajin-teny anaran-tsamirery (solon' anarana) [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay Pseudonyme de Rajonah [1.59]
Asa navoany Diso hanta ka ratsy fiafona
Fitiavana mahery 1907
Velona ahy, maty ahy 1909
Tsanganana sy sary iray takila Solon' anaranan' ireo mpanoratra malagasy

Nohavaozina tamin' ny 2020/10/17