Teny iditra Tselatra: Manina
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo)
Mpanoratra Tselatra (Rajonah), 1910/06/10
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra - Veloma ihany, ry masoandro hilentika; masina, ry volana hisoka,fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana: lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery; ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina. Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.

- Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana: saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra. Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana ny aty. Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy.


2017/07/17