Teny iditra tsiambaratelo
Singan-teny tsy ; ambara ; telo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavatra afenina tsy tiana ho fantatry ny be sy ny maro ka tsy lazaina afa-tsy amin' ny olona itokiana na sakaiza tiana vitsy foana: Mahatoky ahy ianao ka izany no ilazako aminao ny tsiambarateloko
Zava-miafina tsy fantatra: Manana tsiambaratelo betsaka ny zavaboary
Mitovy hevitra: am-po tsy ambara ~ am-po tsy miloaka ~ an' ny tena samy irery ~ ankaro-miafina ~ otrikafon' ny fo ~ tahirindresaka ~ teny mby am-bato ~ tokantrano tsy ahahaka ~ tsy atao eo imason' olona ~ tsy fampitranga vahoaka ~ zavatra tsy ambarambara [1.1]
Fanazavàna teny frantsay [ tsy ambara telo ] Qu'on ne dit pas à trois; secret [1.3]
Ohatra 
1Mitahiry tsiambaratelo mavesatra ny toerana maro any an' ala. [2.472]
2Misaotra anao aho noho ny nanambaranao izany tsiambaratelo izany! [2.270]
3Noraisiko ho tsiambaratelo ho ahy samirery hatry ny ela, ry Marizy havako. [2.470]

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/14