Teny iditra tsihy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tahon-javamaniry madinika -- toy ny zozoro na ny herana na harefo -- voarary ka atao lafika hipetrahana na hatoriana na hisakafoana (atao hoe: fandambanana izy amin' ity farany ity)
¶ Karazan-tsihy: tsihy hisatra, tsihy rindra, tsihy tokan-dambana, tsihy vitrana [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy a mat made of rushes or palm fronds [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay natte de jonc [Hallanger 1974]
Ohatra 
1Nanatona an-drainy mitomoetra ambony tsihy izy nony inona. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 171]
2I Neny dia nandrary tsihy sy harona; [Andraina: Mitaraina, takila 159]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31