Teny iditra tsilaolao
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Kilalao madinika natao hanarian-dia sy hialana voly: Ny kindriandriana dia tsilaolao natao ho an' ny ankizivavy kely
Kilalao amin' ny hevitra an' ohatra: Tian' ny Ntaolo ny manao tsilaolaon-teny, toy ny hoe: "Nitady tombony ka natombiny"
(Tsara homarihina ny mahasamy hafa ny lalao, kilalao ary tsilaolao. Ny lalao dia teny ilazana fanarian-dia sy fialam-boly: Lalao tian' ny Merina fahiny ny daka na diamanga; ny kilalao: zavatra entina milalao na miala voly: Kilalao tian' ny ankizilahy ny kanety; tsilaolao: enti-milaza kilalao madinika na lalao amin' ny hevitra an' ohatra araka ny voalaza etsy ambony) [1.1]
Ohatra izay olona te hizaha tsilaolao tsara izao andro anaovany Kelimalaza kilalao [2.48]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31