Teny iditra |
tsy
|
Sokajin-teny | anarana
|
Famaritana malagasy | Karazana vy, antsoina koa hoe "vy mahery", izay anaovana fiasana maro samihafa fandidiana na fandoahana (antsy, hety, hareza, ans...) [Rajemisa 1985]
|
Fandikana frantsay | acier [Abinal 1888, SLP 1986]
|
Voambolana |
Teny mitovy hevitra | |
|
Teny iditra |
tsy
|
Sokajin-teny | tambinteny
|
Famaritana malagasy | Entina mandà, ka fametraka: 1) eo alohan' ny teny lazaina (amin' izay asiana no eo alohan' ny enti-milaza): Tsy Rakoto no namaky ny fitaratra ~ Tsy omby no hitanao fa soavaly ¶ 2) eo alohan' ny enti-milaza: Tsy omby io biby io fa soavaly ~ Tsy handeha aho ¶ 3) eo alohan' ny teny roa mifanohitra mifanarakaraka avy mba hilazana toetra anelanelany: Tsy kely tsy lehibe itay izy fa salasalany, na hilazana koa ny "rehetra": Tsy antitra tsy tanora fa samy revo amin' ny vola daholo rehefa mety ho olombelona ¶ 4) eo alohan' ny teny roa mifanarakaraka avy mba hanamafisana tsy fisian-javatra: Tsy kitay tsy vary maina ao antranony [Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | not [Hallanger 1973]
|
Fandikana frantsay | ne pas [Abinal 1888, Hallanger 1974]
|
| sans [Abinal 1888, Sims 1969]
|
| non [Abinal 1888]
|
| pas [Hallanger 1974]
|
Endriteny |
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Ohatra | tsy sompatra izy (il est sans malice) [Sims 1969]
|
Haianarantany |
|
|
Teny iditra |
tsy
|
Sokajin-teny | mpampitohy
|
Famaritana malagasy | [Taisaka]
sy [Rakotosaona 1975]
|
|
Teny iditra |
-tsy
|
Sokajin-teny | endritenin' ny hoe sy
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Ohatra | Vetsivetsy marain-tsy hariva zaho! [Razafiarivony: Harivolana]
|
|