Teny iditra tsy hita avanavana (tsy, hita, avanavana)
Sokajin-teny fomba fiteny
Fanazavàna teny malagasy any amin' ny lavitra dia lavitra mila tsy azon' ny saina eritreretina, lalina mangitsokitsoka, tsy manam-petra, tsy hita lany [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy used of something that is unique. [Richardson 1885]
Fanazavàna teny frantsay innombrable [Abinal 1888, Rajaonarimanana 1995]
 complètement invisible, incompréhensible [Abinal 1888]
Ohatra 
1tafasidina tsy hita avanavana tamin' ny fisavasavany ny marina sy ny tsara tsy misy tomika [Rahajarizafy: Filozofia, takila 19]
2Noho izany, na dia madiva haraina aza ny andro, ka efa mifamalivaly eny amin' ny lohasaha eny ny sahobakaka mbamin' ny sahona, dia toa tsy mbola hita avanavana akory izay Ankeritsa. [Ravoajanahary: Sarotra, takila 68]
3fa eo ilay hery anankiray ao amin' ny isam-batan' olona mety hampiova tsy hita avanavana ny nentina hatrany an-kibon-dreny sy ny toe-javatra rehetra mihitsy [Rahajarizafy: Filozofia, takila 114]

Nohavaozina tamin' ny 2020/11/15