Teny iditra vaky barara
Singan-teny vaky ; barara
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Voapotsitra ka miseho miharihary ny ratsy na ny lainga natao; menatra fa hita na naseho miharihary ny hadisoana nafenina, vaky lainga
Jereo bantsilana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Confounded by the evidence [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Mis à découvert [1.8]
Ohatra 
1Vaky barara ny laingany! [2.587]
2Naka aina kely Ravokatra ary vaky barara ka nilaza tamin-pahatsorana hoe: Ny hakamoabenao re, raha tianao ho fantatra. [2.470]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/11