Teny iditra varoa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny varoa dia bibikely mpanimba tafiditra teto amintsika taona vitsy izao. Efa tany amin' ny taona 1950 no nahitana ny varoa, antsoina hoe "Varroa destructor" amin' ny kaontinanta Azia. Ny taona 1966 no nambara ofisialy ny maha biby manimba azy sy ny loza aterany. Rehefa niparitaka tany Eoropa izy ny taona 1970 dia tonga teto amintsika ny taona 2010.

Bibikely mivelona amin' ny ran' ny renitantely ny varoa, ary manatody sy mitombo haingana mihoatra ny fitombon' ny renitantely. Azo lazaina ho toy ny karazana kongona na hao izy io, miloko mena matroka manompy volontany, mirefy 1,1 hatramin' ny 1,2 mm ny halavany ary 1.5 hatramin' ny 1,6 mm ny sakany, izany hoe toy ny loha-paingotra ny habeny. [5.mg.https://apimadagascar.files.wordpress.com/2012/09/livret_adygasy.pdf]

Anarana siantifika Varroa destructor
Voambolana 
Mpanahaka  varoazy

Teny iditra varoa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Tanala] Protorhus sericea Engl. (Anacardiaceae). [1.196]
Anarana siantifika Protorhus sericea
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/06/04