Teny iditra vatodidy
Singan-teny vato ; didy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazam-bato menamena madini-bolo sady malemilemy no tsy dia malama, ka atao fandranitana antsy tsara na fiasana (rehefa voavoatra toy izany ny vatodidy dia atao hoe vatoasana) mora pehina koa ny vatodidy ka ampiasaina hanaovana sary na haingontrano [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A soft kind of stone, used in ornamental stonework, and making lamp-stands and hearths. It is probably a kind of actinolite schist. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Grès [1.13]
Ohatra 
1Nisy fanaovan-jiro vatodidy lava tongotra teo afovoan' ilay efitra. [2.643]
2misy fanaka maro vita tamin'ny vatodidy, toy ny vilany, vilia kely fandoroana emboka, vilia tsangambava, sns. [2.508]
Voambolana 
Tovy hevitra vatovary
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/20