Teny iditra vava
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fiandohan' ny lalan-kanina, izay eo afovoany ambanimbany amin' ny tarehy no misy azy, ary misarintsarin-davaka ny endriny, voafaritry ny molotra roa ambony sy ambany: Ao anatin' ny vava no misy ny lela sy ny nify
¶ Faritra misy loaka amin' ny zavatra anankiray, izay ampiasaina ho fidirana na fivoahana: Vava tafondro
¶ Teny ilazana rehefa mety ho faritra mitarehin-davaka na loaka: Vava fery
¶ Fiandohana: Vava asa, vava alahamady
¶ Fahereza-miteny befahatany: Vavan' olona koa Rasoa iny!
¶ Teny, fitenenana: Tsy tohako ny vavan-dRamatoa io ka aleoko mihataka ~ Vava soa sakafo fa ny vava ratsy adidy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy the mouth [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay bouche; ouverture [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay bec, gueule, museau, mufle [SLP 1986]
Voambolana 
Sampanteny 
Endriteny 
vava
vavako
vavanao
vavany
vavantsika
vavanay
vavanareo
vavan'
vavan-
vavam-
-bava
-bavako
-bavanao
-bavany
-bavantsika
-bavanay
-bavanareo
-bavan'
-bavan-
-bavam-
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny vava ity (2): Tsaravavahady, Vavaomby

Teny iditra vava
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Bara, Sihanaka] voady [Rakotosaona 1972]

2013/05/14