Teny iditra vavahady (vava, hady)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Rafi-bato na hazo atao fidirana ao amin' ny tanàna na sahan' olona iray
Vavan' ny hadivory nanodidina ny vohitra fahiny ka natao fidirana sy fivoahana tao. (Natao telo sosona na roa na iray monja ny vavahady, ka raha telo, ny mafy indrindra dia ny any ivelany, ary toerana roa no azo nanaovana ny vavahady, na eo andrefana kelin' ny zoro firarazana na eo amin' ny zorony atsimo andrefana tahaka ny misy ny varavaramben' ny trano). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A gateway [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Portail, porte-cochère. entrée d'une ville [1.8]
Ohatra Alohan' ny hiaingana hivoaka ny vavahady dia milahatra isan-tsokajy ny tily. [2.356]
Kamban-teny 
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11