Teny iditra vava tsy ambina (vava, tsy, ambina)
Sokajin-teny fomba fiteny
Fanazavàna teny malagasy teny tsy voatandrina, tsy voahevitra: Vava tsy ambina no ahitan-doza [Rajemisa 1985]
 Teny tsy tokony ho notenenina anefa niloaka tsy satry ny vava [Rabemolaly: Fary takila 270]
Fanazavàna teny anglisy unguarded speech [Richardson 1885]
Ohatra 
1Nefa aza ihainoanareo teny diso, ary aza angalanareo vava tsy ambina. [Rahajarizafy: Kabary, takila 32]
2Fa ny vava tsy ambina no ahitan-doza, ary izay manta vava no manambara ny afenina; [Dahle: Angano, takila 238]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31