Teny iditra vazivazy
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Zavatra atao mba hihomehezana, hanaovana sangisangy; vosobosotra: Rakoto iny koa mba be vazivazy erỳ
¶ Fanesoana, fanarabiana: Tsy lefitro intsony ny vazivazin' ise, ry Koto, ka atsaharo hatramin' ny masonandro androany
Mitovy hevitra: ala hamohamo ~ haikaika ~ hatsikana ~ kihanihany ~ kilalao ~ kivazivazy ~ safary ~ sangisangy ~ somonga ~ tsihanihany ~ vosobosotra
Mitovy hevitra: (voso-dratsy) fanory ~ sangisangy zary tenany ~ sangy mihoatra ny loha
Mitovy hevitra: (mpanao kivazivazy) akisakisabe ~ ariralahy ~ ariravavy ~ hatsikana ~ hotsohotso ~ kapotsaka ~ katsikana ~ kivalavala ~ mpananihany ~ mpiaingiaingy ~ mpiangano [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy joking, horseplay [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay jeu, plaisanterie; moquerie [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Ohatra 
1Vazivazy ny ahy, fa haninona hianareo no tsy handry andro aman alina! [Rajohanesa: Kintana]
2Tsy vazivazy fa tena fikasana masaka tao an-tsaiko izany. [Andriamalala: Ranomasina, takila 28]

2012/07/11