Teny iditra velona
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko ~ Mbola velona any ihany va re izay Rabe e!
¶ Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa velona ve ilay fiarakodianao?
¶ Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy ~ Velona ny amponga ~ Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy
¶ Mirehitra (amin' ny hevitra ara-bakiteny sy an' ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro vary ianao ~ Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany
¶ Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany ~ Mbola velona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana"
¶ Manomboka: Naka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka
¶ Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   living, alive [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   vivant [Hallanger 1974]
Ohatra  
1fa raha velona ny aina tsy maintsy mihaona [Fox: Hainteny, laharana 343]
2-- Mbola velona ihany hianao Razay! [Rajohanesa: Kintana]
3Filazana toetr'olom-belona hiany izany. [Cohen-Bessy: Rakotovao, takila 77]
4Raha velona moa aho, iza no mba hovantaniko? [Andriamalala: Ranomasina, takila 19]
5tsy anisan' ny velona intsony ny zokiko. [Andraina: Mitaraina, takila 252]
Sampanteny  
Ny bikany  
-belona
-belon'
-belon-
-belom-
-belo-
velona
velon'
velon-
velom-
velo-
veloma
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny velona itý (6)
Ambalavelona
  Ambohibeloma
  Andranovelona
  Mahavelona
  Sakoambelona
  Vatovelona
 

Teny iditra velona
Sokajin-teny   tenim-piontanana [firaketana]
Famaritana malagasy   Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e! [Rajemisa 1985]

Teny iditra velona
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   be voninahitra [Bezanozano] [Rakotosaona 1972]

Nohavaozina tamin' ny 2017/04/06