Teny iditra viraviraina (viravira)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Kitakitaina atao ratsy fitondra, tsy itondrana roa: Noviravirain' ilay tsy mifaditrovana iny lahy ny zanako!
Raidraisina befahatany amin' ny tanana, fozafozaina: Nahoana re no dia viravirainao toy izao ity akanjoko mivalona?
Roridroritina, saritadritahina: Noviravirain' ny amboadia ilay zanak' ondry ka maty tsy tradrano [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be rent, to be torn asunder [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on déchire, qu'on tiraille [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : viraviraina, viraviraiko, viravirainao, viravirainy, viraviraintsika, viravirainay, viravirainareo, viravirain', viravirain-, viraviraim-, viravirai-
Ny lasa : noviraviraina, noviraviraiko, noviravirainao, noviravirainy, noviraviraintsika, noviravirainay, noviravirainareo, noviravirain', noviravirain-, noviraviraim-, noviravirai-
Ny hoavy : hoviraviraina, hoviraviraiko, hoviravirainao, hoviravirainy, hoviraviraintsika, hoviravirainay, hoviravirainareo, hoviravirain', hoviravirain-, hoviraviraim-, hoviravirai-
Filaza mandidy : viravirao

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20