Teny iditra vitan > vita
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Efa, tontosa: Vita daholo ity ny asa vao mba tonga ianao
Natao: Farafara vitako io fa tsy novidiko akory
Azo atao: Vitako io fa aza matahotra ianao
Tapitra: Vita ny trosanao izao ka aza manelingelina ahy intsony
Tapaka, voafarana: Vita izay ny fanekena
Maty, jingy: Notorahan' Ikoto indray mandeha mania ilay fodilahy dia vita terỳ [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Completed, finished; dead: tsy vita tsy ifanakonana (it takes cooperation to do the job) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fait, accompli, terminé; mort: tsy vita tsy ifanakonana (il faut travailler ensemble pour le faire) [1.8]
Ohatra 
1Vita ilay lakana [2.606]
2Ho vitako ve izany? [2.4]
3ny zava-bitan-dRalaimongo [2.472]
4Tao tiana ho fantatra fa izao no atao hoe Vazaha, izao no zava-bitany [2.472]
Haiendriteny 
Tovonana : -bita, -bitako, -bitanao, -bitany, -bitantsika, -bitanay, -bitanareo, -bitan', -bitan-, -bitam-
Ny ankehitriny : vita, vitako, vitanao, vitany, vitantsika, vitanay, vitanareo, vitan', vitan-, vitam-
Ny lasa : vita, vitako, vitanao, vitany, vitantsika, vitanay, vitanareo, vitan', vitan-, vitam-
Ny hoavy : ho vita, ho vitako, ho vitanao, ho vitany, ho vitantsika, ho vitanay, ho vitanareo, ho vitan', ho vitan-, ho vitam-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Lohateny Kaonty tsy vita (Rapatsalahy Paul)
Ohabolana 

Fivaditsoratra