Teny iditra vizana
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Sasatra amin' ny tsy fihetsehana eo amin' ny toerana iray, amin' ny fomba fipetraka iray tsy miova, amin' ny fihetsehana iray tsy miova: Vizan' ny niandry azy aho ka farany Lasa nody tany an-trano
¶ Reraka, osa: Vizana mafy loatra aho ka aoka kely aloha mba handrihandry eto
Mitovy hevitra: disaka ~ fotsy angola ~ honaka ~ lanaka ~ mangana ~ marafoka ~ masaka ~ maty hentona ~ mirozirozy ~ monaina ~ refona ~ reraka ~ ronaka ~ ronjana ~ rontsona ~ sasatra ~ savolaina ~ tominjana ~ toro ~ torovana ~ trotraka ~ tsy mahahetsika ~ vahotra ~ valaka ~ valalanina ~ vizaka [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy tired; weary or cramped from holding one position [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay fatigué de la même position, de regarder, fatigué du même mouvement, tombant de lassitude [Abinal 1888]
 las, fatigué [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Endriteny 
vizana
vizan'
visan-
Teny mitovy hevitra vizaka
Ohatra 
1Ny andro ity mafanafana ihany ka sao vizana ambony ihany ianao raha manaraka ahy amin' ny alehako any. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 104]
2Olona tsy vanona sy tsy valahara mianakavy, hoy izy nony vizana ka nijanona. [Andraina: Mitaraina, takila 58]
Teny nalaina 

2017/10/23