Teny iditra voambolana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fitambaran' ny teny rehetra fampiasa amin' ny sampam-pahaizana iray
¶ Rakibolana nofintinina [Rajemisa 1985]
 voanteny fampiasa manokana amina seha-pahalalana na sehatrasa
¶ boky mirakitra ny tanisateny fampiasa manokana eo amin' ny sehatra iray ka amin' izany ny teny iditra tsy voatery anolorana ny fahalalana rehetra mety ilain' ny mpampiasa
¶ lisitra araka ny abidia sy fanazavana ny voambolan-tsehatra manokana, ohatra momba ny tranomboky, nampiasana teo anatin' ny boky [Akademia 2005]
Fandikana frantsay lexique [SLP 1986]
 vocabulaire [Rakotonaivo 1993, Deverchin: Dictionnaire]
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Mpanahaka  voanteny
Ohatra 
1Ndeha ho tsiahivina aloha ny famaritana ny voambolana “itsinjaram-pahefana”. [SeFaFi ]
2Be ny fitoviana na eo amin' ny voambolana na eo amin' ny firafitry ny voambolana sy ny teny. [Randriamamonjy: Tantara, takila 16]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31