Teny iditra volo
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Zavatra lava madinika kely ohatra ny kofehy tantra maniry amin' ny faritra sasantsasany amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby ary na dia ny zavamaniry ara: Be volon-tratra io lehilahy io ~ Be volo mahafinaritra ny amboan' i Bary ~ Ataon' ny olona fanafody ny volon-katsaka
¶ Volon-doha: Efa lava ny volon' ise ka andeha mba hampanetezo. [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   hair ; feathers; moss [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   cheveux, poil; plume; mousse [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Tsy maintsy hetezana fohy mantsy aloha ny volo, izay vao kolaina. [Andraina: Mitaraina, takila 109]
2randranina madinika ny volo ny reninjaza; [Callet: Tantara, takila 74]
Sampanteny  
Ny bikany  
volo
voloko
volonao
volony
volontsika
volonay
volonareo
volon'
volon-
volom-
-bolo
-boloko
-bolonao
-bolony
-bolontsika
-bolonay
-bolonareo
-bolon'
-bolon-
-bolom-
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Lahatsoratra  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny volo itý (3): Ivolo, Sahavolo, Volobe

Teny iditra volo
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Lokon-javatra na biby: Toy inona no volon' ilay ombinareo very izay? ~ Ity lamba tanora volo ity entinao fa tena manendrika anao mihitsy [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   color [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   couleur [Hallanger 1974]
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny volo itý (1): Manambolo
Fifanahafana   volo/colors/couleurs
   Soratr'omby

Teny iditra volo
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Endrika, tarehy: Tsy volon' olona handeha akory ianao izany! [Rajemisa 1985]

Teny iditra volo
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Karazan-javamaniry fahita amin' ny tany mafana, manana toetra manokana: ny tahony tsoa-tokana tsisy rantsany, mavo malamalama, poaka aty, nefa misy tonony, mety ho voafihin' ny rantsantanana roa ny habeny, ary ny raviny etiety kely maranitra. Maro karazana ny volo: ny voloandotra, ny voloandritra, ny volodia, ny volodiosy, ny volosanga, ny volosy, ny volotara, ny bararata, ny volotsangana, ny volovaliha, ary ny volovato [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   bamboo [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   bambou; roseau [Hallanger 1974]
Dikanteny frantsay   bambou [SLP: Voambolana]
Voambolana  
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Fifanahafana   volotsangana
Sary  

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/29