Teny iditra voninahitra (vony, ahitra)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fankatoavana olona noho ny hatsaram-panahiny na fahaizany na zavatra lehibe vitany: Nahazo voninahitra izy tamin' ny nandreseny ny fahavalo
¶ Fiamboniana, fiandrianana: Nitandro mafy ny voninahiny izy ka tsy nanaiky ny hiray tetika amin' ny olon-dratsy
¶ Mariky ny hambonian-toerana na laharana ananana eo amin' ny firenena: Natao roa ambin' ny folo voninahitra izy
¶ Dera sy laza: Voninahitra anie ho an' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy glory, honor [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay gloire, honneur [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 grade, dignité [Abinal 1888]
Fanafohezana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra Ary ny manamboninahitra irak' andriana niaraka tamin-dRainiliza 15 voninahitra sy Rainiboana 15 voninahitra sy Ratsimitamby 14 voninahitra sy Rainivaomialy 13 voninahitra [Razoharinoro: Soratra, takila 154]
Teny nalaina 
Lahatsoratra 

2017/06/29