Teny iditra voronandrano (vorona, rano)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Karazam-borona, toy ny angaka, arosy... mivelona eny amin' ny hetrina; toy izao ny toetoetra manokana ananan' ny voronandrano: fohy ny tongony fa mafy ny hoho amin' ny loha rantsany ary misy hoditra manify mampikambana ny rantsana efatra ho toy ny fivoy [Rajemisa 1985]
Voambolana 
Ohatra Ary izao koa no fomba ny heniheny dia azo angalana laoka hafa indray hihinanana vary, fa eo ny voronandrano, sy ny vano-fotsy, sy ny vanomainty, sy ny vorompotsy, sy ny talèvana, sy ny angaka, sy ny arosy na haralahy, sy ny faralambotra, sy ny fotsielatra, sy ny kitanotano, sy ny tsiriry, sy ny vivy, sy ny otrika. [Callet: Tantara]

2013/08/05