Teny iditra zahatra
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy vatan-kazo na volotsangana lehibe maromaro akambana ka atao solon-dakana fitana rano: Nita tamin'ny zahatra ny mpianatra ka horakoraka moa izao! [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a raft [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay radeau [Abinal 1888, Hallanger 1974]
Voambolana 
Tsipelina hafa 
Ohatra 
1Koa dia ny tafontrano no niendahany natao zahatra. [Randriamamonjy: Tantara, takila 458]
2Tapatapa-karefo momba zahatra tapatapa-jozoro momba lakana sarony aho fa kely angalaro fitia aho fa an'olona [Fox: Hainteny, laharana 88]
3Foana ny fiainana tsy misy azy, ary toy ny zahatra avalan' ny rano ny olombelona tsy voizin' izany fitiavana izany. [Andriamalala: Taolambalo, takila 69]
Teny nalaina 

2016/10/03