Teny iditra zaka
Sokajin-teny   matoanteny mpamaritra
Famaritana malagasy   Azo entina fa tsy mavesatra amin' ny tena: Zakako io vota io
¶ Lefitra: Tsy zakako intsony ny ataony ahy
¶ Tanty: Tsy zakany, hono, ny fahoriany fa mofy loatra
¶ Aritra: Zakanao ve izany hafanana izany?
¶ Hay alamina, karakaraina: Mbola kely izy ka tsy zakany ny fananany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   can be borne, can be endured [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   supportable, qu'on peut endurer; qu'on peut porter ou supporter [Hallanger 1974]
Ohatra   Dia nody aho nitondra ny fo zaka. [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 92]
Sampanteny  
Ny bikany  
zaka
zakako
zakanao
zakany
zakantsika
zakanay
zakanareo
zaka
zakako
zakakao
zakany
zakantsika
zakanay
zakanareo
ho zaka
ho zakako
ho zakakao
ho zakany
ho zakantsika
ho zakanay
ho zakanareo
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny zaka itý (2): Imerimanjaka, Manjakandriana
Fifanahafana   olon-jaka

Teny iditra zaka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Taisaka, Tambahoaka] teny [Rakotosaona 1972]
   [Tanosy] resaka [Rakotosaona 1972]
   teny, resaka, tafa. [Rajemisa 1985]
Ohatra   Dia nody aho nitondra ny fo zaka. [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 92]
Sampanteny  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny zaka itý (1): Ambatondrazaka

Teny iditra zaka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Taisaka] fitondrana fanjakana [Rakotosaona 1972]
   Dity, fitondràna: Fikasana an' olombelona fa ny zaka a-Nanahary [Rajemisa 1985]
Ohatra   Dia nody aho nitondra ny fo zaka. [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 92]
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny zaka itý (2): Ankilimanjaka, Fanjakana

Nohavaozina tamin' ny 2017/11/03