Teny iditra zavamaniry (zavatra, tsiry)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Anarana ikambanan' ny zavatra rehetra avy amin' ny voa alevina ao anaty tany ka mitombo ho azy irery ao, misy faka, taho, ravina, voniny ary voa [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay plante, végétation [SLP 1986]
 Nom général des végétaux, de tout ce qui fait des pousses ( maniry vient de tsiry). Par opposition à zava-miaina: tout ce qui a une haleine, un souffle ( aina). Dans cette classification empirique malgache, beaucoup d'animaux inférieurs comme les coraux sont assimilés à des plantes. [Boiteau 1997]
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Manan' aina ny zavamaniry rehetra. [Rakotozafy: Ratsimba, takila 35]
2Ireto avy ireo zavamaniry ahazoana menaka. [FOFAFIPE: Rosovola, takila 69]
3Malaza ho mahay fanafody avy amin' ny zavamaniry ny Kalanoro. [Randriamamonjy: Tantara, takila 31]

2017/12/01