Teny iditra zavona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitangoronam-bovo-drano matevina mitorajofo amin' ny maraina na ny hariva eny amin' ny habakabaka, akaikin' ny tany kokoa noho ny rahona, ka mazàna misafosafo eny an-tampon' ny tendrombohitra: Amin' ny sivy eo ho eo vao misava ny zavona. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Mist, fog [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Brouillard [1.3, 1.8]
 Brume [1.8]
Ohatra 
1Zavona fotsy no isatrohany matetika. [2.499]
2Efa levona tsy hita intsony ny zavona; [2.324]
3Ndrisy, toa rahona sy zavona mihelina tokoa mantsy ireny. [2.470]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : zavona, zavoko, zavonao, zavony, zavontsika, zavonay, zavonareo, zavon', zavon-, zavom-, zavo-
Tovonana : -javona, -javoko, -javonao, -javony, -javontsika, -javonay, -javonareo, -javon', -javon-, -javom-, -javo-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/05