Teny iditra |
zaza ampy mihira
(zaza, ampy, hira)
|
Sokajin-teny | fomba fiteny
|
Famaritana malagasy | (ny hevitry ny mihira eto dia milalao) : ny zaza roa voalohany izay hateraky ny zazavavy avoaka hampakarina, ka iadian' ny ray aman-dreniny varotra ho azy;
koa amin' ny kabarim-panambadiana dia tafiditra ao amin' ny tenin' ny mpamoaka ny hoe :
"Ary ny zaza ampy mihira dia anay" [Ravelojaona 1937]
|
| zaza efa voafandriky ny renin-drazazavavy mialoha fa hotezainy [Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | the first two children of a daughter claimed by her father as his own, and who are not to be considered the children of her husband [Richardson 1885]
|
Fandikana frantsay | se dit des enfants réservés par les parents de l'épouse future mère [Abinal 1888]
|
Ohatra | Koa raha avy izay anomezan’ Andriamanitra azy zaza, raha sitrapony, ny zaza ampy mihira, tompoko, dia anay, arak’ izay nentin-drazana, ka tsy maintsy lazaina aminareo [Rasamuel: Fanambadiana]
|
|