Teny iditra Arpaksada
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Zafin' i Noa. Araka ny Gen. 10.22 dia zakakalahy fahatelon' i Sema izy. Araka ny Gen. 11. 10 kosa dia taranaka faharoa avy amin' i Sema mankamín' i Abrahama izy. Ny Gen. 10.22 dia fitanisana anaram-poko (na anaran-tany) avy amin' i Sema ; ny avy tany Babylonia sy Kaldea tsy voalaza ao anefa. Ny tapany aoriana amin' io anarana io dia misy ny teny hoe Kaseda (ampit. Gen. 22.22) izay singulier-n' ny hoe Kasdima (Kaldea). Angamba teny roa no nakambana ho iray tamin' ny Gen. 10. 22 tamin' ny voalohany ; ny tapany aoriana dia Kaseda ary ny aloha Arpaka, izay fari-tany any Asyria atsimo-andrefana dia tokony ho ilay voalazan' i Ptolemy hoe Arrapaenitis. Koa ny fahadisoan-tsoratra ao amin' ny Gen. 10. 22 no noraisina ho fototry ny ao amin' ny 11. 10-13. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy Arphaxad: son of Shem and ancestor of Eber. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay Arpakshad [2.996]
Voambolana 
Tsipelina hafa 
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 

Nohavaozina tamin' ny 2020/08/02