Teny iditra adaladala (adala)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza olona kely saina, tsy misy loha, fatra-panaonao foana sady miseho ho bado, tsy mahazo tsara na oviana na oviana izay lazaina aminy: adaladala ilay vahinin-dry zareo ato atsimo: nahazo vorona izy, ka ny volom-bodiny no nongotany fa tsy ny elany, ka lasa nanidina ilay vorona
Mitovy hevitra: baibo ~ fondrana ~ kaondrana ~ kidramadrama ~ manangan-tsampona ~ manasatsasaka ~ manondrana ~ mirendrirendry ~ misy kely ~ mitandrantandrana ~ mitanendrinendrina ~ mitondrantondrana ~ mitondrendrena ~ mitondrintondrina ~ nahafahana ~ ondranondranana ~ tangoarara ~ toraiky ~ tsy tohinina ~ vendrana ~ zanakalo [1.1]
Fanazavàna teny frantsay étourdi, un peu fou [1.3, 1.5]
 Insolent [1.5]
Ohatra 
1Toa adaladala no fihevitr' izay nanontaniako ahy! [2.5]
2Tahaka ny adaladala indray ny olona nahita izany rehetra izany. [2.472]
3fa be adaladala ny olona taloha, tsy mba tahaka ny hendry ankehitriny. [2.48]
Haiendriteny 
Sampanteny 
Lohateny Voninkazo adaladala (Andriamanantena Georges)
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12