Teny iditra hamavoina (mavo)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao tsinontsinona, haratsina, esoina: Hamavoiny daholo ny olona rehetra
Mitovy hevitra: atao tsinontsinona ~ esoina ~ fanatsizarizariana ~ fotsifotsina ~ tebahina ~ tsiratsiraina ~ vasohina ~ zimbazimbaina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be despised [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on méprise [1.8]
Ohatra ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako. [2.996]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : hamavoina, hamavoiko, hamavoinao, hamavoiny, hamavointsika, hamavoinay, hamavoinareo, hamavoin', hamavoin-, hamavoim-, hamavoi-
Ny lasa : nohamavoina, nohamavoiko, nohamavoinao, nohamavoiny, nohamavointsika, nohamavoinay, nohamavoinareo, nohamavoin', nohamavoin-, nohamavoim-, nohamavoi-
Ny hoavy : hohamavoina, hohamavoiko, hohamavoinao, hohamavoiny, hohamavointsika, hohamavoinay, hohamavoinareo, hohamavoin', hohamavoin-, hohamavoim-, hohamavoi-
Filaza mandidy : hamavoy
Tovy hevitra mavoina

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20