Teny iditra kohadavareny
Singan-teny kohaka ; lavareny
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Aretin-kohaka mety hahavoa ny zaza eo amin' ny enim-bolana ka hatramin' ny dimy taona eo, ary mora fantarina amin' ny serisery, maso mitsiranondrano sy kohaka mateza amin' ny alina; tapabolana aorian' ny famantarana voalohany, dia miseho ilay feo "lavareny" toa misioka isaky ny mikohaka, avy amin' ny fisintonan' ny fiainana amin' ny faran' ny kohaka mafy mifampitohitohy; aretina faran' izay mora mifindra ny kohadavareny, irony antsoin' ny olona hoe manara-damba [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Whooping cough [3.1]
Fanazavàna teny frantsay Coqueluche [1.54]
Ohatra Roa herinandro aty aoriana dia manomboka ny kohadavareny. [2.424]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/02