Teny iditra labatoara
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Toerana natao hamonoana ny biby vonoina hohanina, amin' ny fomba ara-dalàna, sy fanamboarana ny henany [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [Vezo] Abattoir [1.68]
Ohatra Talohan' ny nanavaozana ny tanàn-dehibe, dia hitanao izy teny amin' ny faritra iva teny, tamin' ny trano nisy fanaka, trano kotona, teren' ny gara sy ny labatoara, eny anelanelan' ny tokotanin' ny gara sy ny trano fitehirizana entana. [1.369]
Voambolana 
Ny fihaviany Frantsay: l' abattoir.

Nohavaozina tamin' ny 2021/07/22