Teny iditra malemy (lemy)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Malefaka, malambolambo: Malemy ny hoditry ny zaza
Mora aforitra, tsy henjana, mora tapaka: Vola malemy ~ Malemy ity rantsan-kazo ity
Mora tsakoina, boda, bodaka, mihonankonana: Tsara masaka ny hena ka malemy ~ Savoka malemy
Kely aina, tsy matanjaka, mihozohozo, mangozohozo: Mbelà fa malemy loatra ianao ka tsy hahavita io asa io
Tsy afa-manohitra fa manaraka ambokony, morainy loatra, rainazy: Malemy loatra amin-janany io Ramatoa io
Mitovy hevitra: boda ~ bodaka ~ boretaka ~ garera ~ kely aina ~ kely ambaitra ~ konetaka ~ lotaka ~ malemilemy ~ malezolezo ~ mangozohozo ~ marafoka ~ marary ovana ~ marazoka ~ marezoka ~ mavozo ~ mavozovozo ~ mihonankonana ~ modaka ~ mondaka ~ motraka ~ nondaka ~ somararetra ~ tsingozahoza ~ tsy mahazo nofo ~ tsy matanjaka ~ vavivavy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Soft; weak [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Mou [1.8, 1.13]
 Faible [1.8]
Ohatra Katsaka efa matoy nefa mbola malemy no alaina. [2.472]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Teny iditra malemy (lemy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Voan'ny paralisia [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Paralytique [1.13]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/24