Teny iditra manarana (arana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tanala] Mampiliba, mampanao ny danin'ny kibo: K'aza aranana amin'ny ôlane ñy jaja (aza arahina amin'ny hadalany ny ankizy) [1.78]
 Manao izay tiana, manao fiainana tsy fehezin' ny hafa fa ny sitrapony ihany: Manarana erỳ amin' ny zava-pisotro Rakoto
Mamela ny hafa hanao ny sitrapony;malemy na mora loatra; rainazy: Ny fanjakana tsy anaranako havana, hoy Andrianampoinimerina.
Mitovy hevitra: malemy loatra ~ mampihanta ~ moramorainy ~ rainazy ~ tsy mahavely vava am-boa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To indulge another in anything, to gratify, to satiate, to tolerate faults or failings, to be remiss in correcting. [1.2]
 To indulge another in something [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être indulgent et gâter quelqu'un [1.8]
Ohatra hotsitsina, tsy an'iza fa ho anao, ka manarana, mihevitrevera, fa sao rodarodain'ny mpanana ka mandany kitay merika andro! [1.296]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manarana
Ny lasa : nanarana
Ny hoavy : hanarana
Filaza mandidy : manaràna
Kamban-teny 

Teny iditra manaràna (arana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manarana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Teny iditra mañarana
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka] mandrotsirotsy [1.78]

Teny iditra manarana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Anaram-borona [1.1]
 Halieus africanus [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  [Provincial] A water-bird [1.2]
Anarana siantifika Halieus africanus
Voambolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra manarana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tsirin' ny rofia izay anaovana satroka [1.1]
Fanazavàna teny frantsay (souvent improprement écrit manarano car c'était l'appellation commerciale des chapeaux fabriqués avec les segments de ces Arecaceae, voir manara, le na terminal est une complication orthographique que l'étymologie ne justifie pas). On appelait ainsi surtout :
[Bezanozano] Beccariophoenix madagascariensis Jum. & H.Perrier (Arecaceae)
[Betsileo, Tanala] Phloga polystachya (Baker) Noronha ex Baill. et Phloga polystachya var. stenophylla Becc. (Arecaceae) : les jeunes segments foliaires de ces deux Arecaceae fournissaient des pailles à chapeaux appréciées, mais cette industrie a disparu au moment de la première guerre mondiale. Elle avait été à l'origine de la fortune des premiers exportateurs malgaches, comme Ranarivelo. [1.196]
Anarana siantifika Beccariophoenix madagascariensis, Phloga polystachya, Phloga polystachya var. stenophylla
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/18