Teny iditra manararaotra (hararaotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mitombo mihalehibe, mihamafy: Hanararaotra io ferinao io ka tsaboy haingana
Mampiasa ny fahavoazan' ny sasany mba hanampiana trotraka izany: Aza manararaotra ny halemen' ny sasany mba hitarihana azy amin' ny ratsy
Mamonjy mitady tombony haingana raha misy zava-miseho sao tsy miverina intsony io zavatra io: Manararaota ny hatanorana, rankizy, mba hiasana betsaka fa rehefa antitra tsy afaka intsony.
Mitovy hevitra: manao kendry tohina ~ manao tsatoka ~ mandray vava latsaka ~ mively ny vy dieny mafana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To aggravate, to add to, to take the occasion of, as when following some one else and seeing him do something or take something, to steal and lay the blame on another. [1.2]
 To take advantage of [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Profiter de l'occasion [1.8]
Ohatra Tsinjo miverimberina eny koa ireo arom-pefiloha vita vodivato sy voatsato-kazo, ireo tanimboly manararaotra ny tany lonaka, ireo trano bongo mitokana naorina vonjy maika ho fiandrasam-boly. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manararaotra
Ny lasa : nanararaotra
Ny hoavy : hanararaotra
Filaza mandidy : manararaota
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/17