Teny iditra mandidy (didy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Mikapa, mitetika [1.78]
 Mikapa, mandrasa: Tsy mora araka ny fiheverana azy akory ny mandidy hena
Manapaka lamba amin' ny hety mba hanaovana akanjo: Iza no nandidy ny akanjonao?
Mandrasa nofo na manapaka taova amin' ny olombelona mba hanalana aretina mahazo azy: Dokotera iza no nandidy ny vavoninao?
Mampanao: Mandidy zava-tsarotra loatra ianao, tompoko
Mifehy, manapaka: Iza no mandidy eto amin' ny faritany?
Mizaka, tompom-pahefana amin' ny fananana: Mandidy ny fananako aho
Teny misy ifandraisany amin' ny Mandidy: manapaka, mibaiko, mandahatra, mizaka, mifehy, manendry, manery, manjakazaka, mandidy tokana, mandidy tsy zehena, tsy refesi-mandidy, manao teniko fe lehibe, manao didy boraingona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To cut, to command, to order [1.2]
Fanazavàna teny malagasy Manaraka soritra miolika. [Voambolana: Haitao] [1.13]
Fanazavàna teny anglisy To cut
To command [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Couper
Commander [1.3, 1.8]
 Tailler, découper, faire une incision, percer avec le bistouri: Nandidy ny masony ny dokotera (Le médecin a fait une incision à son oeil) ~ Nandidy ny vay ny dokotera (Le médecin a percé l’abcès avec le bistouri) [1.3]
 Chantourner. [Voambolana: Haitao] [1.13]
Ohatra Tsy izaho ve no mandidy sy manapaka eto? [2.528]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandidy
Ny lasa : nandidy
Ny hoavy : handidy
Filaza mandidy : mandidia
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2024/01/26